Zechariah 1

Fitarihan-teny

1Tamin’ ny volana fahavalo tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, nanao hoe: 2Tezitra indrindra tamin’ ny razanareo Jehovah. 3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. 4Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin’ ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah. 5Ny razanareo ― aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany ― moa velona mandrakizay va ireny? 6Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.

Fahitana voalohany: ny amin’ ny mpitaingin-tsoavaly eny amin’ ny rotra

7Tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo (volana Sebata izany) tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, ny tenin’ i Jehovah nanao, hoe: 8Nahita tamin’ ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ ny rotra
myrta.
teny an-dohasaha
Na: amin’ ny alokaloka.
, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.
9Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ ireo. 10Ary ralehilahy izay nijanona teny amin’ ny rotra
myrta.
dia namaly hoe: Ireo dia nirahin’ Jehovah hivoivoy eny amin’ ny tany.
11Ary namaly Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teny amin’ ny rotra
myrta.
ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin’ ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.
12Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay. 13Dia novalian’ i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko. 14Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Jerosalema sy Ziona Aho. 15Ary tezitra indrindra Aho amin’ ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana. 16Koa izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema. 17Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an’ i Ziona ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.
Copyright information for Mg1865